1 Izay tia fananarana no tia fahalalana; Fa izay mand anatra dia biby. 

2 Ny tsara fanahy mahazo sitraka amin'i Jehovah; Fa ny mamoron-tsain-dratsy hohelohiny. 

3 Tsy maha-tafatoetra ny olona ny haratsiana; Fa ny fkan'ny marina tsy mba hihetsika. 

4 Ny vehivavy tsara dia satroboninahitry ny lahy; Fa ny vehivavy manao izay mahamenatra kosa dia tahaka ny lo ao anatin'ny taolana. 

5 Rariny ny hevitry ny marina; Fa fitaka ny fisainan'ny ratsy fanahy. 

6 Ny tenin'ny ratsy fanahy dia otrika ho enti-mandatsa-dra; Fa ny vavan'ny marina hamonjy azy. 

7 Haringana ny ratsy fanahy ka tsy ho ao intsony; [Na: Vetivety foana dia tsy ao intsony ny ratsy fanahy.] Fa ny mpianakavin'ny marina haharitra. 

8 Araka ny fahendren'ny olona no hiderana azy; Fa izay meloka am-po dia hatao tsinontsinona. 

9 Aleo ambany toetra, nefa manana mpanompo iray, Toy izay mihambo ho be voninahitra, nefa tsy manan-kohanina akory. 

10 Ny marina mitsimbina ny ain'ny bibiny; Fa fahasiahana kosa no famindrampon'ny ratsy fanahy. 

11 Izay miasa ny taniny dia ho voky hanina; Fa izay manaraka ny olom-poana [Na: ny zava-poana] dia tsy ampy saina. 

12 Ny mpanota maniry ny hazan'[Na: ny fandriky] ny ratsy fanahy; Fa ny fkan'ny marina mitrebona. [Na: fa ny marina ataon'Andriamanitra miorim-paka.] 

13 Amin'ny fahotan'ny molotra dia misy fandrika ahitan-doza; Fa ny marina ho afaka amin'ny fahoriana. 

14 Ny vokatry ny vavan'ny olona no mahavoky soa azy, Ary ny asan'ny tnany hitsingerina aminy. 

15 Ny llan'ny adala dia mahitsy eo imasony; Fa izay mino anatra no hendry. 

16 Ny fahasosoran'ny adala dia fantatra miaraka amin'izay; Fa izay mahatsindry fo amin'ny fanalam-baraka no hendry. 

17 Izay olona mahatoky dia manambara ny rariny; Fa ny vavolombelona mandainga kosa miteny fitaka. 

18 Misy mandefalefa teny tsy tsaroana ka tonga toy ny fanindron'ny sabatra; Fa ny lelan'ny marina dia fanasitranana kosa. 

19 Ny molotra marina ampitoerina ho mandrakizay; Fa ny lela mandainga dia indray mip-maso monja. 

20 Fitaka no ao am-pon'izay mamoron-tsain-dratsy; Fa hafaliana no amin'izay misaina fiadanana. 

21 Tsy misy ratsy manjo ny marina; Fa heni-doza [Heb. henika ny ratsy.] ny ratsy fanahy. 

22 Fahavetavetana eo imason'i Jehovah ny molotra mandainga; Fa izay olona mahatoky no ankasitrahany. 

23 Ny olon-kendry tsy mba mampideradera fahalalana foana; [Heb. manafina fahalalana.] Fa ny fon'ny adala mamoaka fahadalana. 

24 Ny tnan'ny mazoto no hanapaka; Fa izay miraviravy tnana dia hampanompoina. 

25 Ny alahelo ao am-pon'ny olona dia mampitanondrika azy; Fa ny teny soa no mahafaly azy. 

26 Ny marina dia mitari-dlana ny namany; Fa ny alehan'ny ratsy fanahy kosa no mampivily azy. 

27 Ny kamo tsy mety mihaza; [Na: tsy mahatono izay nohazainy.] Fa fananana soa ho an'ny olona ny zoto. 

28 Amin'ny llan'ny fahamarinana no misy fiainana, Ary ny tsi-fahafatesana no llan-kalehany.
